Hafatrakelin'i Lavamaso

Nampidirin'i lavamaso | 1 Sep, 2010

Miarahaba antsika rehetra tonga mitsidika ity blaogy ity. Ary mirary soa sy misaotra sahady antsika rehetra izay handray anjara.

Misy tenin-tsika malagasy iray izay hoe Ny hevitry ny maro no mahatakatra ny lavitra” , ka io teny io no nde ho raisina ka hivelarana, hivelarana ao anatin'ny fahasamihafana.

Eto no hany vita sy hita  fa hahafahana mifampizara amintsika rehetra ny fijery, fijery izay azo lazaina ho fijerin-jaza ihany kanefa ny zaza hono no mialehibe, ny zaza no mihe-matotra.

Nofidiana manokana ny anarana Lavamaso satria io no hita ho mifanaraka kokoa amin'ny tena, eny fa na ilay olona mpiara-dalana eo ankavanana ary mahatsikaritra ka mahavita manongo mihitsy miaraka amin'ilay teny hoe : “ny lalana jerena”.

Amin'ny maha tsiritsiriky lavamaso an'ity blaogy ity, dia hoe tsiritsirika no hatao eto ka dia mangataka ny hamoram-ponao mpitsidika sy mpamaky mba tsy hasiaka loatra raha mahita ny famakafakana ny tosak'evitra satria zaza vao miana-mandeha mety tsy dia mahataka-davitra fa entanin'ny fitiavan-te hizara.

Eto am-pamaranana dia mametraka ny fisaorana sy ny firarian-tsoa antsika rehetra.

Tadidio fa ny tsikeranao anio hanatsaranao ny ampitso.

lavamaso