Hafatrakelin'i Lavamaso

Nampidirin'i lavamaso | 1 Sep, 2010

Miarahaba antsika rehetra tonga mitsidika ity blaogy ity. Ary mirary soa sy misaotra sahady antsika rehetra izay handray anjara.

Misy tenin-tsika malagasy iray izay hoe Ny hevitry ny maro no mahatakatra ny lavitra” , ka io teny io no nde ho raisina ka hivelarana, hivelarana ao anatin'ny fahasamihafana.

Eto no hany vita sy hita  fa hahafahana mifampizara amintsika rehetra ny fijery, fijery izay azo lazaina ho fijerin-jaza ihany kanefa ny zaza hono no mialehibe, ny zaza no mihe-matotra.

Nofidiana manokana ny anarana Lavamaso satria io no hita ho mifanaraka kokoa amin'ny tena, eny fa na ilay olona mpiara-dalana eo ankavanana ary mahatsikaritra ka mahavita manongo mihitsy miaraka amin'ilay teny hoe : “ny lalana jerena”.

Amin'ny maha tsiritsiriky lavamaso an'ity blaogy ity, dia hoe tsiritsirika no hatao eto ka dia mangataka ny hamoram-ponao mpitsidika sy mpamaky mba tsy hasiaka loatra raha mahita ny famakafakana ny tosak'evitra satria zaza vao miana-mandeha mety tsy dia mahataka-davitra fa entanin'ny fitiavan-te hizara.

Eto am-pamaranana dia mametraka ny fisaorana sy ny firarian-tsoa antsika rehetra.

Tadidio fa ny tsikeranao anio hanatsaranao ny ampitso.

lavamaso


4 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Hafatrakelin'i Lavamaso"

  1. Dia faly miarahaba anao tonga eto. Arosoy izay masaka voatsirikao tany e :-)

    Nampidirin'i Kdaombaramita 01 Sep 2010, 13:23
  2. Faly mahita anao izahay ry Lavamaso.
    Efa lava koa ny masonay tsindrian-daona hijery ny resaka entinao.

    Nampidirin'i ikotokoely 01 Sep 2010, 13:36
  3. Tonga soa lavamaso fa dia handihy aloha ny anjely any amin'ny lanitr'i Simp rehefa misy anankiray manokatra blaogy, irariana ny hihalava sy ho velona be.

    Momba ilay hoe aza masiaka loatra, avelao izay hasiaka hasiaka fa izay hitanao fa bonne dia tohizo ny lalantsika.

    Nampidirin'i DotMG 01 Sep 2010, 14:56
  4. woooooo hooooooooooooo!!

    misaotra betsaka manatevin-daharana ny mpitoraka blaogy ee
    falibe mintsiny ah ;-)

    Tena impressionnE be alou ny tenanay @ ilay fahaizana teny malagasy. Mampiseho an'le kanto otran'ny le kabary tena izy ireny, literatiora eee ^:^

    Mirary soa
    ary manatena ny lahatsoratra mafinaritra sy mahaliana bedabe hoavy

    Nampidirin'i simp 01 Sep 2010, 23:49